TANIKO Madagascar

Fomba nateraky ny finoan'ny Ntalolo

"Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak'Andriamanitra izy". (Mt 5, 9)


- TENY MIALOHA. Ny Teny Malagasy

II- TANTARA FOHY.
III- FAMPIDIRANA.
IV- NY FINOAN’NY NTAOLO MALAGASY TALOHAN’NY FANJANAHAN-TANY
IV-A) - ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY.
IV-B) - ZANAHARY.
IV-C) - RAZANA.
IV-D) - ZANADRANO.
IV-D-a) - NY SAMPY.
IV-D-b) - NY DOANY.
IV-D-c) - NY SIKIDY AN-KANDRINA.
IV-D-d) - NY BITSIKA TOHA-TSOFINA.
IV-D-e)- NY TSINDRIMANDRY.
IV-D-f) - NY FADY.
IV-D-g) - NY FIRA VAVA.
IV-D-h) - NY SIKIDY.
IV-D-i) - NY FANANDROANA.
IV-D-j) - NY FANDROANA ENY AMIN’NY DOANY.
IV-D-k) - NY ODY.
V-NY FANAKORONTANAM-PINOANA NENTIN’NY FANJANAHAN-TANY.
VI-IREO FAMINANIANA SY FIRAVAVA NIHANTRA TAMIN’NY FIRENENA MALAGASY.
VI-A) - TAMIN’NY FANJAKAN’I RAFOHY.
VI-B) - TAMIN’NY FANJAKAN’I RALAMBO.
VI-C) - TAMIN’NY FANJAKAN’ ANDRIAMASINAVALONA.
VI-D) - TAMIN’NY FANJAKAN’ ANDRIANAMPOINIMERINA.
VI-D) - TAMIN’NY FANJAKAN’I RANAVALONA III.
VII) - TORO LALANA.
VII-A) - NY FIVERENANA AMIN’NY LOHARANO.
VII-B) - LOHARANO IZA ARY AIZA?
VII-C) - NY TOKONY ATAO MIFANANDRIFY AMIN’IZANY.
VII-D)- NY FOMBA ENTI-MANATANTERAKA IZANY.
VIII)- FAMARANANA.
TENY MIALOHA.
Raha atao indray mitopy maso ny fiainan’ny zanak’Olombelona ara-panahy, ara-tsaina, ara-batana amin’izao taon-jato iainantsika izao dia sarotra ny mino fa miroso any amin’ny lalan’ny fanorenana, maro ireo antony mahatonga izany ary tsy hita ho visavisaina sy ho tanisaina avokoa ireny.
Raha ny hita sy tsapa ary re manerana ny manodidina dia manamafy fa miroso hatrany mankany amin’ny faharavana sy fahapotehana ny fivoaran’ny zanak’Olombenona.
Raha tsy hijery hafa tsy ny antsika Malagasy ihany moa dia milaza miara-mahita izahay raha manamafy hatrany fa mihalevona sy mihamanjavona ombieny ombieny ny fahendrena sy ny fahalalana izay napetrak’ireo Ntaolo fahiny ka mahavelom-panontaniana maro manao hoe: « Ny mpampita ve no namilana na sanatria nitelina mihintsy aza ireo lova hatr’izay sa ny taranaka no efa manana fomba fijery hafa ka manao ambany maso tsy hita? ».
Ny fahatsapanay ny havesatr’izany fanontaniana izany, eny na dia singam-bolo ihany eo anatrehan’ireo fanontaniana maro mifamahofao eo am-bavan’ny maro aza izany, no niteraka tosika mahery vaika sy tsy hay tohaina hamongatra sy haneho masoandro, ho an’ny taranaka aty aoriana, ireo izay nohezahana nafenina ka natao ho tsiambaratelo noho ny antony maro, na ireo izay nohezahana nototofana mba tsy hamiratra intsony.
Tsara ihany nefa ny manamarika ety am-piandohana fa ny tanjonay ny amin’ny hametrahana an-tsoratra ny antontan-kevitra tahaka izao dia sanatria tsy ho entina hametavetana na hanevatevana na koa hanozongozonana firehan-kevitra na fireham-pinoan’iza na iza, na avy aiza izy na avy aiza, fa kosa natao fisarian-tsaina mba ho tari-dalana « andrana » hitodiantsika Malagasy tsy misy an-kanavaka hanana fomba fijery tokana ary indrindra ihany koa hanana hambom-po tsy hiondrika na sanatria ho menatra satria « MALAGASY ».
Dia ny eny mbola ety am-pihandohana tokoa dia maneho ny « aza fady ombam-pialan-tsiny » izahay ho an’ireo mahatsiaro ho tohina na sorena, eny sanatria mety ho tezitra mihintsy aza noho ireo hevitra voalaza ato anatin’ity antontan-kevitra ity.
Tsy hadino koa nefa ny misaotra sahady ny rehetra ny amin’ny finiavany hamaky ka handinika sy hamakafaka izay ho lazaina rehetra ato.
Hamafisinay etoana fa ity antotan-kevitra ity dia tari-dalana ihany araka ny voalaza etsy ambony noho izany dia mety ho tsy ampy na tsy mahafa-po anao fa amin’ny maha tari-dalana azy dia ataovy toa ny vomanga mailoka ka any an-tenda no manitsy azy ary raha misy tsy feno dia ataovy toa ny tantely tapa-bata ihany ka ny fo feno fitiavana mameno azy.


TANTARA FOHY.
Mety ho velom-panontaniana angamba ianao hoe: « Iza tokoa moa ity mpanoratra ity ary inona no nolalovany nahafahany nanoratra antontan-kevitra toa izao? ».
Rariny tokoa raha mipetraka izany fanontaniana izany ka hitsiny raha omem-pahafaham-po na dia amin’ny ampahany ihany aza.
Raha ny fahazazan’ny mpanoratra dia tsy azo lazaina fa nihavaka mihoatra ny fiainan’ireo ankizy rehetra fa dia nihanoka tao anatin’ny lalao sy ny fianarana ihany;
Zanak’olona tsotra sy tena sarotiny tamin’ny fanajana ny fivavahana sy ny fianarana ny mpanoratra nefa kosa na teo aza izany dia tsy mba hadinon’ireo Ray aman-dReny ny nananatra mafy ny amin’ny tsy mba anariana na anadinoina ny fomban-dRazana, izany dia tamin’ny alalan’ireo fizarana ny lovan-tsofina napetrak’ireo Razana nipoirana na ny famerimberenana sy fampitana ny tantara sy ny hafatra niampita avy tany amin’ireo nihandohany.
Noho ireo karazam-pitaizana mifameno ireo dia zary ho fivohy nahafahan’ny mpanoratra nanokatra fomba fijery malalaka afaka hibanjina ny hetsik’ireo manodidina azy.
Ankohatran’ny fahatojoana ny fianarana teny amin’ny ambaratonga ambony misahana ny fitantanana dia nampifandrindra an-dalana ny filomanosana tao anatin’ny fiainana ny fomban-dRazana sy ny finoana Kristiana nandritra ny an-taonany maro no fiainan’ny mpanoratra;
Io fandalinana ny fomban-dRazana io no nahafahany nitrandraka ny fiainam-panahy niainan’ny Malagasy talohan’ny fanjanahan-tany.
Na niaina izany tao anatin’ny taona maro aza nefa ny mpanoratra dia tsy nihinana amam-bolony na nihanoka tamin’izay teo am-pelatanana fa nihezaka hatrany hisintona lesona mahakasika ny lafy ratsy tokony hahitsy sy ny lafy tsarany tokony ampiroboroboana.


TENY FAMPIDIRANA.
Tao anatin’iny sahabo ho zato taona lasa iny dia tsapa fa nikorontana ambony sy ambany ny fipetraky ny fiainana ara-panahin’ny Malagasy, samy nilofo nikaroka sy nanaporofo ny hatsaran’ny azy ny rehetra na an-torin-teny izany na an-dokam-barotra;
Tsy vitsy koa nefa ny nahasahy nanivaiva sy nanaratsy ny tantarany sy ny fiainan’ireo loharano nipoirany ka voafehin’ilay ohabolana Malagasy hoe : « Mitsipa-doha ny laka-nitana », ary manao ny azy ho toa ny “valalan’amboa ka na ny tompony aza tsy tia”.
Raha ny antony moa dia azo faritana avy hatrany ho vokatry ny tsy fahalalana na koa tsy fahaizana ny fahendren’ireo loharano nipoirany ka zary nitambesaran’ireo karazam-pinoana sy fahalalana maro manodidina, tsy midika nefa izany fa ratsy ireo voalaza etsy ambony ireo nefa kosa hoy izahay hoe: « moa ve tsy ho ritra sy maina kina ny tapaka sy miala amin’ny loharanony? ».
Mamelà anay ianao hilaza fa na tiantsika na tsia dia mbola tarazo sy voka-dratsin’ny fanjanahan-tany nihatra tamin’ireo Razantsika izany, izany fanjanahana izany dia mivadibadika sy miovaova amin’ny alalan’ny endrika maro fa azo aravina ho fanjanahana telo (3) loha dia ny fanjanahana ny tany, ny fanjanahan-tsaina ary ny fanjanaham-pinoana.
Ataonay andrana hovahavahana ato anatin’ity antontan-kevitra ity ary ny:
Hevi-dehibe voalohany dia ny FINOAN’NY NTAOLO MALAGASY TALOHAN’NY FANJANAHAN-TANY, ao anatin’izany no hanazavanay ny fahitan’ny Ntaolo Malagasy, amin’ny lafiny ara-panahy, ny momba an’Andriamanitra Andriananahry (A°A), inona avy ireo antanan-tohatra misy eo anelanelan’A°A sy ny Olombenona, ary ho vahavahantsika ao ihany koa NY SAMPY, NY DOANY, NY SIKIDY AN-KANDRINA, NY BITSIKA TOHA-TSOFINA, NY TSINDRIMANDRY, NY FADY, NY FIRA VAVA, NY SIKIDY, NY FANANDROANA, NY FANDROANA ENY AMIN’NY DOANY, NY ODY.
Hevi-dehibe faharoa dia NY FANAKORONTANAM-PINOANA NENTIN’NY FANJANAHAN-TANY, ka aoka hezaka no atao ahafantarantsika ny ANTONY ARA-PINOANA, VOKANY TEO AMIN’NY FIRENENA.
Hevi-dehibe fahatelo dia ny FAMINANIANA SY FIRAVAVA NIHATRA TAMIN’NY FIRENENA MALAGASY, TAMIN’NY FANJAKAN’I RAFOHY, TAMIN’NY FANJAKAN’I RALAMBO, TAMIN’NY FANJAKAN’ ANDRIAMASINAVALONA, TAMIN’NY FANJAKAN’ ANDRIANAMPOINIMERINA, TAMIN’NY FANJAKAN’I RANAVALONA III.
Hevi-dehibe fahaefatra sady farany dia ny PAIKA SY TORO LALANA.
Inoanay fa mahaliana anao ny hamoaboasana ireo ka isaoranay anao mialoha ny fanananao finiavana hiroso any amin’ny “MAHAIZY AZY “Anao.


Maro mba tsy hilazana fa ny 90% n’ny taranaka taty afara no tsy mahalala ny tena fototry ny finoan’ny Ntaolo Malagasy izay lakan-drano nampita ho azy ireo ny fahendrena sy ny soa toavina fonosin’ny “FIHAVANANA”.
Io fihavanana dradradradraina Ankehitriny io tokoa mantsy no fangaron’ny rivotra niainan’ny fiaraha-monina tena Malagasy hatramin’izay ka hatramin’izao vanim-potoana iainantsika izao.
Raha voasantsika fohifohy ny mahakasika ny “FIHAVANANA” dia manana fototeny hoe:”HAVANA” izay mitory fifamatorana sy fifankatiavana lalina teo amin’ny fiaraha-monina tena Malagasy ary hita taratra izany teo amin’ireo ohabolana maro nitaizan’ny Ntaolo Malagasy ny taranany, santionany amin’ireny ny hoe:”NY VOHIN-KAVA-MAHATRATRA”, tandindon’ny fiaraha-miaina sy fiaraha-mizaka ny mafy rehetra teo amin’ny famakivakiana ny onjam-piainana.
Teo koa ny hoe:”TRANO ATSIMO SY AVARATRA KA IZAY TSY MAHALEN-KIHALOFANA”, manaporofo ny fifanampiana sy fifanomezan-tanana.
Maro tsy ho voatanisa ireo tolo-pahendrena fonosin’io “FIHAVANANA” io ka mamelà anay ianao hilaza hoe:”FOTOTRY NY FIAINANA MALAGASY NY FIHAVANANA”.
Na izany kosa aza nefa ny fiarahamonin’ny Ntaolo Malagasy dia tsy hoe nirindrarindra fahantany teny noho ny fihavanana fa nisy ireo fetra narahina sy notandrovana fatratra izay niteraka ireo fehim-pihavanana nifampitondran’ny mpiara-monina.
anisan’izany ny eo amin’ny lafiny “ara-panahy” izay nitarika ny finoana ka tandrovina toa ny anakandriamaso tsy ho potsitra ary ny hafetsen’ny mpanjanaka namotsitra io anakandriamaso io no nahatonga ny taranaka Malagasy taty afara lasa “JAMBA” hany ka tsy mahita ny asiana ny tongony fa sanatria mitsingevaeva ara-panahy toa ny lakana very fivohy.
Ny mahakasika io fehim-pihavanan’ny finoan’ny Ntaolo Malagasy io indrindra no hidirantsika lalina ka hamoahantsika hiseho masoandro ireo nafenina sy nolazaina ho tsiambaratelo.
Talohan’ny fanjanahan-tany nihatra tamin’ny firenentsika dia nirindra sy nipetrapetraka ary najaina fatratra ny fehim-pihavanan’ny finoana tena Malagasy.
Efa hatrany amin’ny fihandohana dia efa nihaiky ny Ntaolo Malagasy fa nisy ny “NAHARY AZY SY NY TONTOLO REHETRA NA NY HITA NA NY TSY HITAN’NY MASONY”.
Mifanohitra amin’ny iainantsika Ankehitriny moa fa raha tamin’izany vanim-potoana izany dia vitsy sy azo isaina amin’ny rantsan-tanana ireo Olona nanana fahalalana saingy ny manam-pahendrena kosa no maro.
ny fiarahan’ireo toetra roa ireo ao amin’ny Olona iray àry dia zary nampihavaka io voalaza io teo amin’ny fiaraha-monina niainany, matetika dia ireo efa nahazo taona no tonga amin’io toetra io ka mahalatsa-bava ny Ntaolo hoe:”NY ELA NIHETEZANA LAVA VOLO”, ary nanomezany hasina manokana ireo “FOTSY VOLO” izay adika tsotra fotsiny hoe ela niainanan ka efa nahita karazan-tranga maro teo amin’ny fiainana ankoatran’ireo fanabeazana nomena azy.
Ireny Olom-be ireny indrindra, izay niangonan’ny “FAHENDRENA sy FAHALALANA” no zary lasa “MPAMPITA” ny fantany sy ny hainy tamin’ireo taranaka nandimby azy hany ka lasa fananam-pianakaviana voafetra izany, tao ihany koa no nipoiran’ny antanan-tohatra maro teo amin’ny fiaraha-monina.
Manana ny antony izy ireo nanosika azy nanao izany ka tsy hitanay izay hanomezana-tsiny azy amin’izany satria fantany fa mahatsara ny fiaraha-monina tamin’ny vanim-potoanany izany.
Teo amin’ireo karazam-pianakaviana ireo tokoa mantsy dia noraisina ho misy antony manokana matoa ry ‘zareo irery ihany no nahazo ireo toetra roa ireo miaraka.
Ny vokatr’izay dia nizara ny fiaraha-monina ka nisy ireo etsy an-daniny izay ankolafin’Olona natao hiankinana lalan-dava ary etsy an-kilany kosa ny natao hiankinana.
Ankehitriny tsapanay fa tonga ny fotoana hampahalalana izany ho an’ny “REHETRA” ka apetrakay ho an’ny safidin’ny tsirairay no maka izay tandrify azy avy ka ‘ndeha atao hoe:”TRAFON-KENA OME-MAHERY, AMBAVA HOMANA FA AM-PO MIHERITRA”.
Efa natsidika tetsy ambony ny finoan’ny Ntaolo Malagasy fa nisy ny nahary azy sy ny tontolo rehetra hita na tsy hitan’ny masony ka nandrakotra sy nanodidina azy; Izay “MPAMORONA” izay no natao hoe “ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY”.
Avy amin’ny fiombonan-teny hoe:
ANDRIANA: avo, ambony, fiankinana, fianteherana …
MANITRA: mamerovero, soa, mampitony, mahasambatsambatra, mampitsiriritra…
NAHARY: namorona, nanome, nampisy…
Raha atao dikan-teny malalaka dia ny fiombonan’ireo teny ireo izay mamaritra toetra maro tsy tambo isaina no namaritan’ny Ntaolo Malagasy ilay atao hoe “ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY” (A°A).
Raha teo amin’ny lafiny ara-panahy kosa no asian-teny dia vokatry ny fikaonan’ny hitsy roa manome ny teboka avo indrindra amin’ny antanan-toham-panahy ninoan’ny Ntaolo Malagasy no nanosika azy hanome io anarana io.
Io antanan-tohatra nisy ara-panahin’ny Ntaolo Malagasy io dia vokatra avy amin’ny finoany fa nisy ny dingana maro tsy maintsy lalovana vao tonga eo anoloan’io A°A io.
Mbola hidirantsika amin’ny antsipirihiny izany antanan-tohatra izany eny ambany fa mety aloha raha lazaina ankisarisary amin’ny ambangovangony ihany:
A°A
ZANAHARY
RAZANA
OLOMBELONA
ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY (A°A).
Tsy vitan’ny hoe Izy no ninoan’ny Ntaolo Malagasy ho avo indrindra amin’ny misy rehetra fa mbola ninoany ho loharano nipoiran’ny manan’aina rehetra sy ny voahary manontolo na ny hita na ny tsy hitan’ny masony.
Napetraka ho tsiambaratelon’ny finoana teo amin’ny fiaraha-monin’ny Ntaolo Malagasy ny momba an’A°A nefa dia najaina sy nolalainy fatratra kosa satria dia fototry ny rafim-pifehezam-piaraha-monina.
Na tsy hitany maso aza dia ninoany fa mahita sy mitsara lalan-dava ka noraiketiny tamin’ny ohabolana hoe:”AZA NY LOHASAHA MANGINA NO JERENA FA ANDRIAMANITRA AN-TAMPON’NY LOHA”; “NY ADALA NO TSY AMBAKAINA DIA NY TAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA”; “ANDRIAMANITRA TSY MIJERY MIAKATRA KA MAHITA NY TAKONA REHETRA”.
Any ambony mifanandrify amin’ny tampon-doha no ninoan’ny Ntaolo Malagasy fa itoeran’A°A ka rehefa miroso amin’ny fombafomba maro teo amin’ny ara-panahy dia tsy maintsy antsoina A°A manao hoe:”ANY IANAO ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY LOHALOHAVINA AN-TAMPON’NY LOHA …”;
Ninoan’ Ntaolo Malagasy tokoa fa A°A no nahary saina, vatana, fanahy ary koa nahary tongotra aman-tanana noho izany dia tsy azo atao rano dikain’ny zinga fa antsoina alohan’ny zavatra rehetra.
Na dia teo aza izany fahalalana sy finoana izany nefa dia tsapany ihany fa lavitra sy tsy taka-maso no misy Azy ka nekeny fa raha te hiresaka amin’Izy A°A dia ny mapitondra teny an’ireo mpanelanelana sy mpampita no tsotra.
ZANAHARY.
Noho ny finoan’ny Ntaolo Malagasy fa A°A no nahary ny habaka sy izay rehetra eo aminy dia nekeny fa misy mpanelanelana izy ireo raha te hiantefa resaka amin’A°A.
Ny fahatsapan’izy ireo ihany koa fa maro tsy tambo isaina ireo “VOAHARY” manana hasina sy hery mihoatra lavitra noho ny an’ny Olombelona dia nekeny ihany koa fa ireny no hirakirak’A°A hanome ny soa sy ny tsara ho an’ny zanak’Olombelona.
Niantefa tamin’ireo Voahary nanan-kasina sy hery avo lavitra noho ny azy ireo ny fangatahany ary ninoany fa ireo no nomen’A°A fahefana hanatanteraka ny faniriana sy ny fangatahany.
Maro tokoa ny soa hefan’ireo, tao ny nahary fahasalamana, harena, hasina … ka natao hoe “IREO NO NAHARY SY NAHATOA NY FANGATAHANA SY NY FANIRIANY”.
Mba tsy hanononana tsirairay avy ny anaran’ireo dia natao hoa”IREO ‘ZAY NAHARY” no niantsoana ireo hirakirak’A°A ireo, rehefa nandeha ny fotoana, sady ny teny rahateo miaina, dia lasa “ZANAHARY” no nampalady ny vavan’ny rehetra.
Ny naniraka ireo Zanahary ireo no ninoan’ny Ntaolo Malagasy fa Andriana lehibe nanome azy ireo ny sombin’ny fahefany ka izany, raha eo amin’ny lafiny ara-panahy, no nahatonga ny hoe: “ANDRIANANAHARY” izany hoe avy amin’ny fiombonan-teny hoe “ANDRIAN-JANAHARY”.
Teo amin’ny fiaraha-monin’ny Ntaolo Malagasy nefa dia voarafitra fa tsy ny Olombelona rehetra akory no afaka miresaka mivantana amin’ireo Zanahary ireo fa ny “MPAMPITA sy ny MPANAZARY” ihany araka ny efa voalazantsika teny am-piandohana fa ireo Olona iangonan’ny “FAHENDRENA sy FAHALALANA” ihany.
Ireo antokon’Olona ireo no manelanelana sy mampita ny misy any amin’ny fiainana tsy hita maso sy ny fiainan’ny zanak’Olombelona, ary izy ireo ihany koa no ampahafantarina ny fombafomba rehetra fanao mifandraika amin’izany.
Tao amin’ny lafiny ara-panahin’ny Ntaolo Malagasy dia voasokajy ho 4 mazava tsara ny Zanahary araka ny fiaviany sy ny fahaizany dia ny:
NY ZANAHARY AN’HABAKABAKA.
Ireo dia izay rehetra avy any an’habakabaka rehetra any na voafaritra na tsia, na fantatra na tsia.
Ho antsika efa miaina amin’izao taon-jato izao, izany hoe taty aorian’ny nidiran’ny fivavahana kristiana vao fantatra ny fisian’ny Anjely sy ny Arkanjely ary ny extra terrestre.
Raha ny teo amin’ny rafim-pifehezam-piaraha-monina ara-panahin’ny Ntaolo Malagasy dia tsy nasiany resaka mihitsy ny amin’ireo noho ny tsy fahalalany sy tsy fifehezany loatra ny momba izany.
NY ZANAHARY AN-TANETY.
Ireo indray dia izay voahary manan-kasina mihoatra lavitra noho ny an’ny Olombelona nefa kosa dia hita sy tsapan’ireo Mpanazary ny fisiany ka anisan’izany ny Tsiny, ny Vazimba, ireo Razan’ny Mpanjaka.
Misy fomba 5 no atao amin’izany, nefa tsy mbola mety ny itanisàna azy eto.
NY ZANAHARY ANATY RANO.
Amin’ny fomba filazan’ny zanak’Olombelona azy dia ireo no antsoina hoe “ZAZAVAVINDRANO”.
Manana ny rafim-pifehezam-piaraha-moniny izay azy manokana ireo ary manana ny fanjakany sy ny Razam-Be nipoirany izay fantatr’anarana.
Ny tena mampiavaka azy dia noho izy ireo mametraka ny vehivavy ho ambony sy mpitantana sady lohan’ny lehilahy.
Mbola anisan’ny Zanahary avy any anaty rano ihany koa ny “DEBADEBA” izay tsy misy valaka amin’ireo etsy ambony fa mitoetra sy monina eny amin’ny heniheny sy teriterin-jozoro.
NY ZANAHARY ANATY ALA.
Any amin’ny faritra be ala mikitroka sy an-tampon-tendrombohitra no misy azy ireo, ka manana ny rafim-pifehezam-piaraha-moniny izay azy manokana ihany koa ary manana ny fanjakany sy ny Razam-Be nipoirany izay fantatr’anarana, ka anisan’ireny ny “KALANORO sy ny KOKOLAMPY”.
Ireo Zanahary ao anatin’ireo sokajy 4 ireo dia samy manana ny fombafombany ka ny “Mpanazary” hatrany no ataon’ny Ntaolo Malagasy iankinan’ny fandraharahana ny mahakasika izany.
Ny toetra sy ny fomba iraisany kosa dia Izy ireo samy afaka manatanteraka ny fangatahan’ny tsirairay avy tsy misy an-kanavaka araka izay tratran’ny heriny sy ny hasiny fa saingy kosa mbola miantehitra sy miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny Mpanazary izany.
Raha akapoka ho teny fohy dia miankina lehibe indrindra amin’ny toetran’ny Mpanazary no vokatra azo avy amin’ny fikirakirana ireo Zanahary ireo.
NY RAZANA.
Tsara ihany aloha ny manazava mialoha fa misy sokajiny roa ny Razana dia ny:
- RAZAM-BELONA
- RAZANA EFA MATY.
Azontsika tsoahana avy amin’ireo sokajy roa ireo fa ny Razana dia “TOE-PANAHY” fa tsy fanahy, izany hoe tsy izay rehetra maty akory no atao hoe “RAZANA” fa ireo izay manaporofo io toe-panahy io ihany.
Raha ny fahalalantsika taranaka ankehitriny azy mantsy dia rehefa maty ka nalevina dia tononina amin’io anaram-boninahitra io nefa kosa teo amin’ny rafim-pifehezam-piaraha-monina ara-panahin’ny Ntaolo Malagasy dia ireo manana ny toe-panahy “miahy sy mitsinjo ary mitari-dalana ny taranany”, noho izany dia ireo Olombelona efa voky taona ka manana ny toe-panahy miahy sy mitsinjo ary mitari-dalana ny taranany no atao hoe: “RAZAM-BELONA”, ary ireo Olombelona efa maty kosa ka nalevina “AM-PASAN-DRAZANA” ka miahy sy mitsinjo ary mitari-dalana ny taranany no atao hoe:”RAZANA EFA MATY” raha tsy manana izany toe-panahy izany kosa nefa ny maty dia fokaina ka “FOHAZINA MBA HIADY VOMANGA”.
[Vidéo: Ankazomalaza]
Doany Ankazomalaza, Ambohimanga

NY ZANADRANO.
Ny zanadrano dia Olombelona ihany fa ny fombafomba ara-panahy vitany no mampiavaka azy, miainga avy amin’io avokoa ny filomanosana ao amin’ny tontolo ara-panahy rehetra teo amin’ny Ntaolo Malagasy.
Ny nahatonga ny anarany hoe “ZANADRANO” dia noho izy ireo mpitety ireo karazan-tendrombohitra manana ny hasiny noho ny hiraka nomen’ny Zanahary na koa noho ny finiavana andeha hidio ara-panahy.
Ireo karazan-tendrombohitra ireo dia samy manana ireto toetra iraisana ireto:
- Misy loharano ao anatiny na ety ivelany.
- Mihorina ambony haram-bato izay mety ho hita na tsia avy ety ivelany.
- Vohitra nandalovana na nonenan’ny Zanahary ka matetika ny avy any anaty ala sy ny an-tanety no miaraka eo.
Noho ny fitetezana ireo karazan-tendrombohitra ireo no naharaikitra ny anarana hoe: “ZANADRANO” satria tsy hitsangatsangana na hizaha lanonana no alehan’izy ireo eny fa mandro amin’ny rano sy mangatam-pitahiana amin’ireo Zanahary izay monina eo amin’io toerana io.
Ny hevitry ny mangatam-pitahiana amin’ny Zanahary teo amin’ny fiainana ara-panahin’ny Ntaolo Malagasy dia ny fandraisana hitoetra amin’ny vatana, amin’ny alalan’ny fandroana amin’ilay rano voalaza etsy ambony, ireo hasim-panahin’ireo Zanahary eo amin’io vohitra io.
Izay hasim-panahy mitoetra amin’ny vatana izany no lasa rohin’aina” toa ny tadim-poitra mampifandray ilay Zanadrano amin’ny Zanahary ka rehefa miantso ireo Zanahary ny Zanadrano dia miampita amin’ny alalan’io rohin’aina io ny heritreriny ka voarain’ireo Zanahary ary mandrisika azy hanatanteraka izany.
Mba hampitoetra sy ahamafy io rohin’aina io ihany koa no hanomezan’ireo Zanahary ny torohevitra sy toro-lalana ho an’ilay Zanadrano mahakasika ny fikarakarana ny tenany sy ny mpiara-monina ary ny mpiara-belona aminy.
Rehefa mahomby, izany hoe mihamaro ny fanampiana sy famonjena natao ny hafa, ny fiarahana amin’ireo Zanahary dia misandratra ho “MPANAZARY” ilay Zanadrano teo aloha.
Mandritra ny fombafomban-Janahary ataony dia efa afaka misafidy sahady izay tanjona iriny ny Zanadrano iray satria rehefa vita izany fomba izany dia afaka misafidy talenta manokana amin’ny fanandroana, sikidy, fitsaboana, fanorana izy; azo atao tokoa nefa ny misafidy izy rehetra ireo miaraka nefa kosa dia samy manana ny hatsarany sy ny lafiratsiny ireo.
NY SAMPY.
Raha ny fahafantaran’ny taranaka taty aorian’ny nidiran’ny fivavahana kristiana dia izay karazam-pinoana rehetra niainana tao amin’ny vanim-potoanan’ny faha-Mpanjaka dia natao hoe “fanompoan-tsampy” avokoa, ny tsapa mantsy tamin’izany dia ny finoam-panjakana no tsy maintsy nankatohavina satria nateraky ny didy sy ny lalàm-panjakana.
Tsara ihany nefa no manadihady hoe: “karazan-javatra toa inona no natao hoe sampy? Ary tamin’ny fomba manao ahoana no nampiharana azy?”.
Tamin’ny vanim-potoana nanjakan’I Andriandrapandrana (voalohany tamin’ny 12 manjaka) ka hatramin’ny fanjakan’Andrianampoinimerina dia tsy nisy nanakiana ny fampiasana ireo karazan-tsampim-panjakana maro satria dia nifototra sy nanaja ny an’ny tena ny Malagasy eny na dia hoe vokatry ny didy napetraky ny Mpanjaka aza izany, fa izany tokoa moa no karazam-pitondrana nisy nefa kosa sahinay no milaza fa nilamina ny vahoaka no sady nanana.
Fantatr’Andrianampoinimerina tokoa mantsy ny hevi-dratsin’ireo misionera vahiny tonga teto amin’ny fanjakany izay tsy inona fa ny “FANIMBANA NY FINOANA, FOMBA, TENY” (dia ho rava ny firenena iray), ka izay no nivoahan’ny didy hoe izay mihoatra an’Ambatomanga dia tapaho ny lohany.
Raha sanatria tsy takatrao ny antony nahatonga io Mpanjaka io nanao izany dia azavainay aminao tsotsotra, satria raha tonga avy any ivelany ireo misionera vahiny dia ny nanely ny fomba finoany izay mahazatra azy, nandemy ny sain’ny vahoaka mba hanohitra ny fanjakana ankolaka, no nimasoany na dia fantany mazava tsara aza fa fanjakana milamina sy miroborobo no nidirany.
Na dia teo aza nefa izany didim-panjakana izany dia nanome ohatra ihany ny Mpanjaka fa mampilamina sy tsy resin’ny an’ny hafa ny azy ka izay no nanekeny an’I Rev Père callet tamin’ny antsy ady nataon’io misionera io, ny vokany dia nihaiky ny hasin’ny an’ny Mpanjaka io misionera io (jereo Ny tantaran’ny Andriana nosoratan’I Rév Père Callet).
Rehefa taty amin’ny nanjakan’I Ranavalona I dia mbola niverina ihany io paik’adin’ny misionera io dia Izay ihany koa no antony nahatonga io Mpanjaka io hirehi-pahatezerana.
Avelantsika eo iny ohatra tsy haritra iny fa hidirantsika ny atao hoe “sampy”,
Ninianay nazavaina mialoha ny antanan-toham-panahy ninoan’ny Ntaolo Malagasy mba ahamora kokoa ny andraisanao ny fanazavana manaraka.
Noho ny tsy fahafantaran’ny vahiny sy ny vahoaka ireo an-tanan-toham-panahy ireo tokoa mantsy no nahatonga ny savorovoro nisy tamin’ny nanjakan’I Ranavalona I, satria noheverin’ny maro fa tsy mino an’A°A ny Mpanjaka fa ireo Zanahary hatrany no naroso henoin’ny vahoaka.
Ivelan’izany dia tsy nisy nahalala mihitsy izay kononkononin’ireo Mpanazary teo amin’ny fanjakana fa ry zareo irery ihany no afaka mihatrika ireo Zanahary ao anatin’ireo “valamena” (toerana voatokana hampidinana ireo Zanahary), ho an’ny vahoaka dia tsy fantany izay ao anatin’io valamena io fa izay teny notanterina avy ao ihany no tonga eny am-poto-tsofiny.
Ireo Zanahary ireo no natao ho “sampy” satria izay tenin’ireo dia lasa didy sy lalàna rehefa avy ankatoavin’ny Mpanjaka ka kabariana an-kianja.
Marihinay etoana nefa araka ny efa voalazanay teny ambony fa alohan’ny hanaovana ny fomba rehetra indrindra fa ny fiantsoana Zanahary dia tsy azo atao rano dikain’ny zinga ny fiantsoana an’ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY, raha sanatria voadingana izany dia tsy misy Zanahary tonga eo na dia iray aza.
“Noho izany dia ireo izay rehetra hirakirak’A°A no natao hoe:”SAMPY””.
Ireo Zanahary ireo koa moa araka ny voalaza teny ambony ihany dia tsy miseho amin’ny rehetra fa ireo Mpanazary itoerany ihany no ipoitrany, vao mainka nanjavozavo teo amin’maro ny mety ho fisian’izany tokoa.
Mba nahafahan’ny teo amin’ny fanjakana nanamporofo ny vahoaka fa misy tokoa ireo Zanahary ireo dia nifampiresahana ireo Zanahary mba haneho endrika ivelany ho hitan’ny vahoaka,
Ny fananganana ireo tsangan-kazo (totem) izay vita amin’ireo karazan-kazo sarobidy sy manan-kasina toa ny: “ HAZO MANGA” (bois de rose na bois d’ébène) miaraka amin’ny “MPANJAKABEN’NY TANY” sy ireo pitsopitsony maro no nanehoana ivelany izany, vao mainka nanamora ny fandemena noketrehin’ny mpanjanaka izany satria nolazainy fa mivavaka amin’ny sikotra ny Malagasy, ary ireo sikotra ireo no nodorana taty amin’ny nanjakan’I Ranavalona II.
Alaim-panahy izahay amerina ny tenin’Andrianampoinimerina fony izy nanao velirano tamin’ny vahoaka nanao hoe: “INDRO SITRAK’ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY HO AHY NY TANY SY NY FANJAKANA” ary raha nitondra izy ka nihezaka ny hamory ny fanjakana dia nilaza koa hoe: “NY RANOMASINA NO VALAM-PARIHIKO ARY IZAHO NO VALAM-PARIHY MAMPITOVY TANTANA NY RANO”.
Entaninay ianao handinika izany fahendrena izany no sady hamisavisa ihany koa hoe efa nahita ny morontsirak’i Madagasikara rehetra ve io Mpanjaka io tamin’izy tonga teo Antananarivo no nahasahy niteny hoe ny ranomasina no valam-parihiko?.
Na ianao aza angamba iara-mihaiky aminay fa tsy nisy fiara sy fiaramanidina tamin’izany, dia mahafaly anay koa no milaza aminao fa I “MANJAKATSIROA” ilay Kalanoro misahana ny fitantanana izay vita fomba tamin’Andrianampoinimerina no nanampy azy hanazava izany, ary I Ramorabe (nanjaka teo Ambohidratrimo) izay reniben’I Rambolamasoandro (renin’I Ledama) no nanatontosa ny fombany.
NY DOANY.
Raha nanazava ny atao hoe Zanadrano isika teny ambony dia natsidika teny ny hoe mitety ireo vohitra masina, ireny vohitra manana ny hasiny ireny no atao hoe: “DOANY”, nefa kosa tsy ny tendrombohitra mikodana be iny fa ilay toerana misy ny loharano nitoeran’ny hasin’ny Zanahary teo amin’io toerana io, matetika dia nasiana valamena akaiky na lavidavitra io loharano io araka ny fangatahan’ilay Zanahary mitoetra eo amin’io toerana io.
Ny ohatra akaiky entintsika santionany ao anatin’ny maro dia ny eny Ambohimanga, ny eny Ankazomalazo (ilay toerana nanatsatohan’Andrianampoinimerina sy Andriamisaravola ny tehana ka ny an’iry voalohany no naniry), misy loharano maro ao samy manana ny anarany, hita eo koa ny haram-bato izay itoeran’ireo Kalanoro.

[Vidéo: Andranoro]
Doany Andranoro
NY SIKIDY AN-KANDRINA.
Io no anisan’ny karazam-pifandraisana ifampiresahan’ny Zanahary sy ny Zanadrano izay mikoriana manaraka ilay rohin’aina voalaza teny ambony, eo an’ivon’ny telozoro faritan’ny sofina roa sy ny vava andrina no toerana itrangan’io, kisarisary miseho amin’ny feo no heno eo ka ireo Zanadrano efa havanana amin’ny fandraisana azy no tena mahafehy io, ireo Zanahary no mampita izany ka zary ho toro-lalana sy torohevitra.
NY BITSIKA TOHA-TSOFINA.
Tsy misy valaka amin’ny voalaza etsy amin’ny sikidy an-kandrina no mitranga eto fa ny maha samy hafa azy dia izy mazava tsara ao am-poto-tsofina.
NY TSINDRIMANDRY.
Io dia karazana nofy rehefa matory ny Zanadrano iray, mitovy tsy misy valaka amin’ireny mijery horonan-tsary mihetsika ireny fa saingy kosa misy toro-lalana na torohevitra tiana asongadina ao aminy, raha tsy izay no mitranga dia ireo Zanahary mihintsy no mipoitra an-kisary eo miteny na manafatra.
NY FADY.
Anisan’ny resaka tena mampiroharoha ny sain’ny Malagasy tokoa io resaka fady io satria dia lasa henatra ankehitriny ny hoe mifady an’izatsy na mifady an’izaroa, nefa kosa dia eken’ny sainy tsara raha tenenina hoe ny mpianadahy dia mpifady, torak’izany koa ny mpianaka.
Teo amin’ny Ntaolo Malagasy dia najaina fatratra io ary dia niteraka fifampitondrana tena henjana satria noheverina fa tena “antoky ny aina”.
Iza tokoa moa no tena niavian’io “karazam-pifehezan-tena” io? Ary inona no antony?.
Mba nahafahan’ireo Zanahary nifandray tsy tapaka tamin’ireo Mpanazary no antony, raha azavaina mifanandraika amin’ny fovoaran’ny teknolojia ankehitriny dia toa ny fifandraisan’ny vatafahitalavitra sy ny trano mpamokatra fandaharana no mifandraika aminy, izany hoe mba ahatonga ny sary madio sy mazava tsara avoakan’ny vatafahitalavitra dia ilaina ny fikarakarana sy fanadiovana ny “antène”, ka na mandefa sary amin’ny endrika 3D na HD aza ny mpamokatra fandaharana nefa ny fandraisana azy misompirana tsy araka ny tokony ho izy dia sary mivilana na manjavona be no miseho eo.
Torak’izany tsy misy valaka ihany koa ny an’ny Zanahary sy ny Zanadrano, manome ireo toro-lalana sy torohevitra amin’ny alalan’ny tsindrimandry sy ny sikidy an-kandrina...
Raha tsoahana avy amin’ny alalan’izay dia mba hampazava tsara ny fifandraisana amin’ireo Zanahary izany no antony hitojoana ireo fifehezany-tena ireo.
Arakaraka ny fepetra apetrak’ireo Zanahary no mahamaro na tsia io fady io fa ny iraisan’ny rehetra dia ny: fihinanana hena-kisoa, tongolo gasy, tongolo raviny.
Raha tanisaina amin’ny antsipirihiny dia sahabo ho eo amin’ny takelaka iray amin’ny taratasy A4 ny karazana fady tandrovina raha tena miditra lalina amin’ny fiainan’ny Zanadrano ny Olombelona iray.
NY FIRA VAVA.
Anisan’ny fitaovana iray tena miasa betsaka amin’ny fahefana nomen’ny Zanahary ny Zanadrano io “FIRA VAVA” io satria rehefa tena lavorary ny fomba atao amin’ny maha Zanadrano dia lasa masim-bava miteny ny Zanadrano iray ary eo koa ny masin-tana-mandray, tena ilaina io rehefa mikarakara marary na ny manotra.
Eto mantsy dia izay Fangatahana tononin’ilay Zanadrano na ny Mpanazary dia raisin’ny Zanahary avokoa ka tanterahany tsy misy tomika na ho amin’ny soa na ho amin’ny ratsy.
NY SIKIDY.
Karazana fomba iray nentina nahalala ny fototra na ny anton’ny tranga iray ny sikidy, tsy vitan’izany ihany kosa nefa fa nentina indrindra ihany koa mijery sy mibanjina izay mety hitranga sy ho avy mba ahafahana miomana mialoha raha sanatria ka tsy azo ovàna satria moa dia efa fanapahana napetrak’A°A.
Maro ny karazan-tsikidy azo ampiharina fa samy manana ny manavanana azy ny Mpanazary rehetra, ny voan-tsikidy no maro mpampiasa, ao koa ny sikidy fitaratra, marihinay etoana fa ny fampiasana io dia misy tsy lavorary ihany satria raha sendra ny Olombelona mafy herin-tsaina dia azo avilana soa aman-tsara ny fandehan’ny lalan-tsikidy ataon’ny hafa ka zary mandainga.

[Vidéo: Sikidy]
Ny Sikidy hazavain'i Xhy Rajaofetra
NY FANANDROANA.
Mbola fitaovana iray entina mandrindra sy mandamina ny tontolo anaty sy ny manodidina ny Olombelona ihany koa ny fanandroana, ny fanarahana ny lamina misy eo amin’ny Olombelona sy ny voahary manodidina azy no tena nampiasana ny fanandroana, ka raha sanatria io lamina io no misy mikorontana dia miteraka faharavana na fahasimbana maro noho ny fifampihankinan’ny voahary rehetra manerana ny habaka.
Raha mijery amin’ny alalan’io ny Mpanazary iray dia mampifanandrify indrindra ny hetsiky ny vanim-potoana izay entin’ny masoandro sy ny tangoron-kintana manemotra ny lanitra izy, ampifanandrifiany amin’izany ihany koa ny hetsiky ny volana, tsy hadinony ihany koa ny mampifandraika ny vintana entin’ny andro amin’ireo voalaza teo ambony ireo, ary laroiny ny hovitra entin’ny ora tsirairay avy mifandimbindimby mandritra ny andro iray izay miantomboka amin’ny ora voalohany iposahan’ny masoandro.

[Vidéo: Tetiandro sy Fanandroana]
Tetiandro sy Fanandroana malagasy - Rabesata Arima
NY FANDROANA ENY AMIN’NY DOANY.
Araka ny efa natsidika teny ambony ihany koa dia anisan’ny fomba iray fanadiovana ny fifandraisana amin’ireo Zanahary ny fandroana eny amin’ny doany satria tsy vitan’ny hoe midio sy misasa ny Olombelona fa mbola mandray ny hasim-panahin’ireo Zanahary mba hikarakara azy.
Ireo hasim-panahy ireo no karazana hovitra (onde vibratoire) manenika ny vatana amam-panahin’ilay Olombelona ka sady mamotika izay hovitra manalokaloka ilay Olona no manadio sy mandrindra izany hovitra izany ihany koa mba hizotra amin’ny tokony ho izy, dia izay no fototry ny fitsaboana rehetra nefa dia efa nofehezin’ny Ntaolo Malagasy efa hatramin’ny taon-jato maro.
Raha sanatria ka tsy sitrana amin’ny alalan’ny fampandroana ny Olombelona iray dia takian’ny zava-misy ny fampiasana ireo “ODY” izay tsy inona fa fangaron-javatra maro efa voatonon’ireo Zanahary mba ampiasaina (tany, hazo, vakana, rano …).

Nisy lanonana Fandroana ihany koa notanterahan'ny Mpanjaka isan-taona ho fanamasinan-tena sy ho fangataham-pitahiana ho an'ny Tany sy ny Fanjakana.
NY ODY.
Raha hidirantsika lalindalina kokoa ny mahakasika ity hoe “ODY” ity dia mety tokoa mba hanazavana ny sain’ny maro satria vokatry ny fanjanahana ara-tsaina nentin’ny mpanjanaka dia zary lasa manana endrika maloto sy ratsy hatrany izany.
Raha ny teto amin’ny firenentsika mantsy dia tsy misaraka velively ny fanjanahan-tany sy ny nidiran’ny fivavahana kristiana.
“Ny “ODY” teo amin’ny fehim-pihavanam-piaraha-monina dia ireo fanefitra rehetra mba hiarovana na hitsaboana ny aina sy ny fanana”.
Avy amin’ny fampiasana ireo zava-boahary noforonin’A°A ihany ireo fa ny fampiarahana azy no nampihavaka an’ireo Ntaolo Malagasy satria tao ireo Zanahary nampita sy nanoro izany.
Noho ny tsy fahaizan’ireo hafa izany dia nafokainy sy naratsiany fatratra izany mba tsy ampiasaina intsony saingy ankehitriny kosa dia notrandrahany ka novana anarana hoe “HOMEOPATHIE”.
Maro ireo fangaro ampiasaina amin’ny ody nampiasain’ny Ntaolo Malagasy fa azo aravina ho sokajy vitsivitsy ihany dia ny: “FITSABOANA, FAMATO (fiarovana), FANOTA, FANDRAVANA, FISARITANA”.
Samy nampiasain’ny Ntaolo Malagasy avokoa ireo mba hiarovana sy hitsaboana ary hikarakarany ny ainy sy ireo voahary manodidina azy.
NY FANAKORONTANAM-PINOANA NENTIN’NY FANJANAHAN-TANY.
Rehefa nanandrana niditra teto amin’ny Nosy ny misionera vahiny tamin’ny fotoana nanjakan’Andrianampoinimerina dia nihezaka mafy mba ahalala izay vonto atin’ny fiaraha-monina Malagasynefa moa maty nonoka izany satria dia sendra ny Mpanjaka “Hendry sy Mahiratra” ka niala maina, namerina izany indray ireo taty aoriana ka nahita rirany tamin’ny nanjakan’I Radama I izay nanokatra ho an’ny vahiny ny fampianarana ny vahoaka sy ny fampidirana ny fahaiza-mitarika ny miaramila ka teo indrindra no nitsimbadika ny fandehan’ny toe-draharaha satria maro ireo fombafomba sy fahaizana maro no novana satria nampanarahana ny fahaizana nentin’ireo vahiny.
Taty amin’ny fotoana nanjakan’I Ranavalona I dia efa nahazo faka ny fivavahana kristiana ka zary lasa fanohitra nentina nanozongozonana ny fanjakana misy ka maro tamin’ireo tsy niandraikitra ny raharaham-panjaka no nihezaka nanohitra mba hanatsimbadihana ny rafim-pifehezam-piaraha-monina misy.
Iarahana mahalala izany fa niteraka fifandrafiana lehibe teo amin’ny antokon’Olona maro teo amin’ny fanjakana.
Taty amin’ny fotoana nanjakan’I Ranavalona II dia efa nahazo toerana ilay finoana vahiny ka napetraka ho fivavaham-panjakana, ary namoahana didim-panjakana mihintsy mba tsy hampiasana intsony ny fomban-drazana hany ka naha-tapa-doha ny nikitikitika ny momba izany, tonga tamin’ny tanjona niriny ny misionera satria dia potika tanteraka ny finoan’ny Malagasy, rava torak’izany ny fombany, ary nanjakan’ny teny vahiny ny teniny.
Ilay rà mikoriana tao anatin’ny Malagasy izay tandindon’ireo loharano nipoirany dia zary lasa nampitsanga-menatra azy.
Taty amin’ny fotoana nanjakan’I Ranavalona III moa dia voazanaka no niafaran’ny Malagasy satria tsy nanana hazon-damosina nijiroana fa nihotakotaka lalan-dava tamin’ny onjan-drano nahovitry ny vahiny nandritra ny taona maro.
Fehiny, takona tanteraka ny maha-Malagasy azy na dia teo aza ny fihezahana hihoatra taty amin’ny 29 martsa 1947 ka zary maina kina ilay loharano niboiboika tsy nety ritra tany amin’ny faha Ntaolo.
Tsy vitan’ny zary maina kina ilay loharano niboiboika tsy nety ritra tany amin’ny faha Ntaolo Malagasy, ka mba nohezahana nadiana lalina mba hipoitra indray, fa mbola nosoloina rano nentina avy amin’ny fantsona avy any ivelany indray izay tsy fantatra sy tsy voafehy akory ny nihandohany satria tokoa hono “NY RANO TSY TETEZIN-DOHA”, dia nisotro tsy an-kijery sy nihinana amam-bolony RaMalagasy.
Ankehitriny moa dia tsy hitan-dRaMalagasy intsony izay hasiany ny tongony sy ny finoany fa ataony handrakandrana avokoa izay karazam-pinoana rehetra mandalo eo ambany masony satria dia mikorontana ambony sy ambany ny fanahiny ka tonga amin’ilay ohabolan’ny Ntaolo hoe:”VERY FANAHY MBOLA VELONA TOA NY VALALA VOATANGO”.
Indrisy fa dia “VALALA VOATANGO TOKOA RAMALAGASY”.
Mipetraka ary ny fanontaniana hoe: “DIA AHOANA NO TOHINY, HANKAIZA RAMALAGASY?”
IREO FAMINANIANA SY FIRAVAVA NIHATRA TAMIN’NY FIRENENA MALAGASY.
Alohan’ny hamaliantsika ilay fanontaniana mipetra-baraingo etsy ambony dia tsara raha asongadina avokoa aloha izay mety ho antony nahatonga izao fiainantsika ho toa izao.
Tany aloha tany mantsy tamin’ny mbola nahamasina ny vavan-dRaMalagasy dia tsy vitsy ireo izay efa nahita sy nahalala ny ho tohin’ny tantara, tao koa ireo izay nentin-kahatezerana, satria nibaby tsy am-pidiny ny adalan’ny sasany, ka namira vava.
TAMIN’NY FANJAKAN’I RAFOHY (IMERIMANJAKA sy ALASORA).
Tany amin’ny fotoana nanjakan’I Rafohy dia efa nipetraka ny didy sy ny fira vava, ka nataony hoe “NY FANJAKAKO DIA FANJAKANA ARINDRA, FA ZOHIN-TSINY SY VOAHOZONA IZAY MANDIKA IZANY” izay midika ihany koa hoe izay voatso-dranon’ny Mpanjaka, rehefa avy nanontany ny Zanahary, ka notolorana ny fanjakana ihany no manjaka na iza na zovy te hitondra.
TAMIN’NY FANJAKAN’I RALAMBO (AMBOHIDRABIBY).
Raha nahazo zanaka lahy maro I Ralambo dia nana-kevitra hanolotra ny fanjakany ho an’ilay Lahimatoa ANDRIANTOMPOKOINDRINDRA dia tsy nandray ity voalohany fa nitso-drano an’ANDRIANJAKA zandriny hafa reny aminy saingy namira vava kosa fa: “TSY MAINTSY AVY AMIN’NY TARANANY NO HANGALANA NY VADIN’NY MPANJAKA;”
TAMIN’NY FANJAKAN’ ANDRIAMASINAVALONA (ANTANANARIVO).
Talon’ny naneken’ireo zazavavindrano, dia I RATIANIMANJAKA sy RAMANIMANJAKA, ho vadin’ANDIAMASINAVALONA (ANDRIANJAKANAVALONDAMBO) ka iry faharoa no niterahany an’I RANAVALONATSIMITOVIAMINANDRIANA (nanjaka teo ANOSIMANJAKA) fa iry voalohany tsy niteraka, dia nanao velirano ny Mpanjaka fa: “IZAY“.
TAMIN’NY FANJAKAN’ ANDRIANAMPOINIMERINA (AMBOHIMANGA, ANTANANARIVO).
Rehefa antitra ANDRIANAMPOINIMERINA dia nanao ny fanaon’ny Mpanjaka rehetra ka roso nandeha hijery tandindona any amin’ny doany “MANANARA” (AMBATOFAHAVALO ankehitriny) fa tao no nisy ilay Mpanandro nahavita nijery ny ho avin’ny fanjakana rehetra, tsy iza fa ANDRIAMANANDROANIO,
Toa izao no nolazain’io Mpanandro mahay io: “SAMBATRA IZAO NY VAHOAKA, MANDRY NY FANJAKANA, KA I LEDAMA NO HANDIMBY ANAO, RAHA VITA IZAY DIA LASA FANJAKAM-BEHIVAVY ARY ARAHIN’NY FANJAKAN’NY GARAMASO FOTSY TAOLANA, MANARAKA AZY EO NY FANJAKANA TSY MAZAVAZAVA, VITA IZAY DIA HISY NY TONDRA-DRANO SY NY TAFIO-DRIVOTRA ARY MAMARANA AZY NY RA MANDRIAKA, REHEFA VITA IZAY DIA HIVERINA NY FANJAKANAO ANDRIANAMPOINA KA HIADANA NY VAHOAKA, HANDRY NY TANY SY NY FANJAKANA”.
TAMIN’NY FANJAKAN’I RANAVALONA III.
Raha nentina hatao sesi-tany any “ALGERIE” I RANAVALONA III dia vaky tomany sy nalahelo mafy teny Ivato fiantsonan’ny fiaramanidina, nitodika nibanjina ny Rovan’ny MANJAKAMIADANA izy no sady nanozona hoe: “FA TSY HAHITA MANGIRANA MANDRITRA NY ZATO TAONA ITY TANY ITY”.
Aza omenao tsiny izahay raha hamela anao hamaly samy irery ireo fanontaniana napetraka tetsy ambony hoe: “DIA AHOANA NO TOHINY, HO AIZA RAMALAGASY?”
Mba andraisanay anjara amin’ny famaliana io fanontaniana io dia ireo hany kely mba fantatray sy izay toro-lalana kely mba hainay no ‘ndeha ho zaraina aminao.
TORO LALANA.
Araka ny natsidikay teny ambony dia tsy hiambo ho mahalala na tompony samy irery izahay fa izay hany kely mba fantatray sy izay toro-lalana kely mba hainay no ‘ndeha ho zaraina aminao satria raha ny haben’ny sehatry ny fahalalana no jerena dia ny fitambaran’ny fahaizantsika rehetra tsy misy an-kanavaka no mahafeno azy.
Raha zohina sy fakafakaina ihany koa nefa ireo rehetra voalaza ireo dia sahinay no milaza fa maro ny tsara tokony ampiroboroboana nefa koa tsy vitsy ihany ny tsy dia nety tokony harenina
Raha ny fahitanay azy ary dia resy lahatra izahay fa mendrika tokoa ny miverina amin’ny loharano nipoirana.
Indrindra moa raha alalinina ireo fira vava sy hozona nataon’ireo Mpanjaka tany aloha, dia mipetraka ny fanontaniana hoe:”NAHOANA IZY IREO NO NAHAVITA NANAO IZANY KA TANTERAKA? Ary NAHOANA ISIKA NO TSY MAHAVITA IZANY?”
Somary tsotra ihany ny valiny raisinay ka aoka tsy ahasorena anao, satria Izy ireo nitojo sy nandala ny làlana ka nahavita nahamasina ny tenany aloha dia avy eo nikarakara ny hafa dia nohamasinin’ny hafa.
Ianao koa ve dia tsy hahavita toa izany na dia amin’ny ampahany ihany aza, dia ho izahay hoe vitanao izany, na mitaky fotoana sy finiavana be aza, fa saingy ny fomba atao fotsiny angamba no mila fantarinao.
NY FIVERENANA AMIN’NY LOHARANO.
Raha milaza izahay ato hoe:” NY FIVERENANA AMIN’NY LOHARANO” dia tsy ampihinana anao amam-bolony fa hanolotra toro-lalana izay maharesy lahatra anay fa mety aminao ihany koa.
Raha ny teo amin’ny tontolo ara-panahin’ireo Ntaolo Malagasy dia nolazaintsika teny aloha fa vitsy ihany ireo Olombelona niangonan’ny “FAHENDRENA sy FAHALALANA”, ny antony dia izay nahalala dia nitazona ho azy samy irery ny fahaizany ary nihezaka ny hampihankina aminy ny tontolo misy azy ka zary lasa izy no ivo hiodinan’ny tontolo rehetra manodidina azy, ary izay aloha no fantany fa tsara.
Mba azonao vinaniana ve raha tsy iray na vitsivitsy intsony no mahay izany fa ny tontolo rehetra? Hoy izahay hoe dia “ho tretrika A°A” ary hiadana ny tontolo.
Na dia ho izany tokoa aza nefa no hitranga dia tsy ilaozan’ireo izay ho tratra aoriana ka voatery hiankina lalan-dava amin’ny hafa foana satria minia manampin-tsofina sy tsy te hanakatra.
Raha ho faritantsika ary hoe hatr’aiza ilay loharano dia mety halaim-panahy iska hilaza hoe hiverina hanao ireo tompo sampy isan-karazany indray izany ve? Izay fantatra fa hirakirak’A°A ihany.
“Manao ahoana tokoa ary raha toa ka A°A mihitsy no ‘ndeha hiverenana?”.
LOHARANO “IZA “ARY “AIZA”?
‘Ndeha ho resahina ary ireo teboka maro tsy voazavan’ireo Ntaolo Malagasy izay tsapanay fa banga teo amin’ny fiainana ara-panahy nananany.
Raha ny resaka momba an’A°A sy ireo Zanahary an’habakabaka dia azo lazaina fa nanjavozavo teo amin’ny Ntaolo Malagasy izany nefa dia ninoany sy najainy fatratra, mino izahay fa anjarantsika taranaka aty afara kosa no mameno ireo banga.
Ny nampitaiNy taminay kosa no vahavahanay aminao manaraka izao;
Ekentsika Malagasy rehetra fa A°A no nahary ny habaka sy izay rehetra misy eo aminy na ny hita maso na ny tsy hita.
Raha faritantsika tokoa ilay ataontsika hoe “ANDRIAMANITRA ANDRIANANAHARY” any amin’ny toerana misy azy dia toa izao:
ANDRIAMANITRA” no namorona ny fanahy an’ireo voahary rehetra.
ANDRIANANAHARY” no namorona ny vatana an’ireo voahary rehetra.
ILAY FAHAZAVANA MANDRAKOTRA” an’ A°A no fototry ny toe-tsaina an’ireo voahary rehetra.

Eo amin’ny “IVON’NY HABAKA” no itoeraNy ao amin’ny “LAPA MAMIRAPIRATRA SY MANJOPIAKA” noho izany dia Izy no loharanon’ny “FAHAZAVANA” ary izy ihany koa no “MANAFY SY MAMEFY NY HABAKA”;
Izy tokoa no nahary “FANAHY, SAINA, VATANA” ny voahary rehetra, ary misy sombiny amin’ireo 3 voalaza etsy ambony ireo avokoa ny voahary rehetra matoa afaka miovaova.
Ny maha samy hafa ny voahary rehetra dia ny vatana ananany ka miteraka ny fetra ananan’ny sainy.
Ao ireo “tsy mihetsika “(Immobile), toa ny vato nefa misy ny sombin’ireo 3 ireo avokoa ka hoy ny ohabolana:”NY VATO AZA RAHA AHITAN-TSOA DIA HOSORA-MENAKA”.
Ao ireo “mihetsika fa tsy mifindra” (semi mobile), toa ny hazo nefa misy ny sombin’ireo 3 ireo avokoa voaporofo izany noho ny hazo ampiasaina amin’ny fitsaboana.
Ao ireo” mihetsika sy mifindra” (mobile), toa ny Olombelona sy ny biby.
Ny toetra itovian’ireo voahary misokajy 3 ireo dia izy rehetra mamaly “FITIA” rehefa tolorana “FITIAVANA” izany hoe efa ao aminy ilay atao hoe:”FITIAVANA” ka Iza tokoa moa ilay atao hoe:”FITIAVANA?”, Ilay manome tsy mba misy fepetra?.
Raha ny naharian’ A°A ny voahary rehetra hoy “IZY” dia nataony “HIFAMENO sy HIFAMELONA” ary niainaNy sy ahafahaNy mihanoka ny “HAKANTONY”. Sanatria tsy nataoNy “HIFANOMPO sy HIFANASINA” fa hiara-mamirapiratra toa AZY eo amin’ny ivon’ny habaka.
Koa raha tapa-kevitra ianao hiverina, tsy aleo ve miverina Ifotony toa izay mbola hivezivezy eny anelanelany? Tsy midika kosa nefa izany fa ario ny maha Malagasy anao, ny mifanohitra amin’izany aza no tokony himasoanao satria “efa noharin’ A°A Ireo ZANAHARY mba hifameno aminao ka hifampizarao ny hazavanao, ary ekeo ny fifanampiany”.
NY TOKONY ATAO MIFANANDRIFY AMIN’IZANY.
Ireto misy hafatra vitsivitsy hampitainay aminao izay avy amin’Izy A°A raha mahaliana anao:
DERAO LALAN-DAVA IZY A°A “ fa ao amin’ireo voahary rehetra manodidina anao Izy, na ny hita na ny tsy hitan’ny masonao.
HAJAO NY SAFIDIN’NY HAFA” na tsy mifanandrify amin’ny hitanao fa mety aza, toroy hevitra ny hafa raha tsapanao fa mivoana.
EKEO FA SAMY HAFA NY VOAHARY NEFA IRAY IHANY” satria ny vatana sy ny toe-tsaina no mampihavaka vokatry ny safidy atao fa ny Fanahy dia iray ihany.
EKEO NY TRANGA TSY AZO NIHOARANA” satria matoa iny nitranga dia efa izay izany no izy fa kosa ny amin’ny manaraka no hatsarao hatrany.
AZA DIKAINA NY LALANAN’NY NATIORA” fa tsy adala akory ny namorona izany, ekeo fa rehefa mahita biby atao hoe “saka” ianao dia io no atao hoe “saka” fa aza terena ho lasa “omby”.
NY TENA SITRAPON’ A°A DIA NY HAMPANJOPIAKA NY VOAHARY REHETRA, NOHO IZANY ZARAO NY FAHAZAVANAO HAHENIKA NY HABAKA”. Satria tsy misy fetra ny fitiavaNy anao ary tsy misy fepetra ny safidy nomeNy anao.
“AZA MIANDRY NY HAFA HITARI-DALANA ANAO” fa raha tianao ny hiatrika Azy dia aza hadino fa efa ao aminao Izy, ary raha tianao ny hitsidika ny Lapany dia hitondra anao Izy, ao ianao mitafa aminy arak’izay hetahetam-ponao.
NY FOMBA ENTI-MANATANTERAKA IZANY.
Maro tsy tambo isaina raha ny fomba hanatanterahana izany satria tsy misy fetra ny «FAHEFANA » ao anatinao fa ny sainao sy ny vatanao no mametra anao.
Fomba iray santionany amin’ireo tsy hita isa ary no atoronay anao nefa kosa dia miankina lehibe indrindra aminao.
Tsara aloha ny manazava mialoha fa ara-panahy no ahafahanao mitsidika io Lapan’ A°A io, ary andeha angaha atao hoe kisarisary toa izao no tazana na hiainana mandritra ny famakivakiana ny lalana mankany.
Aoka tsy hadinoina ihany koa fa raha hiainga ho any dia tsara ny mamaritra sahady, dieny mbola tsy miainga, fa “Io vatana hialanao io no mbola hiverenanao avy any” izany mandra-paha-tontosa fa efa iray aminy ianao.
Mandra-paha-zatra anao tsara dia aleo aloha maka toerana milamina tsy misy mivezivezy, fa rehefa zatra ianao na dia eny an-dalana aza dia mety foana.
Akipio ny masonao dia alaivo sary an-tsaina ny fonao izay tazanao avy aty ambony, raha mifantoka tsara ianao dia tazanao eo fa misy fahazavana manjopiaka eo, rehefa tsapanao io dia tsarovy fa eo no vavahady mitondra any amin’ny fiainam-panahy.
Midira amin’io vavahady io, ho hitanao fa hihatrika rindrina, mitovy loko amin’ny rano mikoriana nefa koa toa entona ateraky ny hafanana be, ianao ary ho tazanao eo ny any ambadik’io.
Idiro io rindrina io fa hahita lohasaha misy ahi-maitso mikodana tsy hita fetra ianao, ka raha mitraka ianao dia ahita Fahazavana toa ny masoandro nefa tsy mandoro,
Raha vao miheritreritra fotsiny ianao ny ho eny dia sintonin’io indray mipi-maso, ary rehefa tonga eo dia avelao ny heriny no hitondra anao.
Rehefa tafiditra ao indray ianao dia ahita saham-bonikazo sy hazo fihinam-boa maro, koa mahatalanjoana anao ny akantony dia “Derao hatrany A°A fa mahavalalanina ny hatsaraNy”.
Rehefa tonga eo an’ivon’io saham-bonikazo io ianao dia mahita zavona toa ny rahona mangatsakatsaka dia midira, ka miakara fa haheno feon’Olona maro be mihira sy mihantsa, raha manam-potoana hijerana ny manodidina ianao dia ahita Olona miakanjo fotsy lava sy midoroboka ka misy fehy kibo, somary olioly ny volony, marihinay fa tsy misy helatra izany; ireny no antsointsika hoe “ANJELY”.
Raha manohy miakatra ihany ianao dia ahita zavona toa ny rahona mangatsakatsaka dia midira ka miakara fa ahita Olona lava ranjanana mifamezivezy toa manatanteraka hiraka, tsotra be hatreo amin’ny sorony ny volony, miakanjo fotsy toa ny palitao lava hatr’eny amin’ny kitrokeliny, tsy misy helatra ihany koa ireo, ireny no antsointsika hoe “ARKANJELY”.
Raha mbola manohy ihany ianao dia hiditra rahona fotsy somary matevina ka rehefa afaka io dia mahatazana avy hatrany ilay Lapa lehibe mamirapiratra sy manjopiaka mazava tsara nefa koa mbola ao anaty hazavana mikodana be ary voadidina “AVANA” (arc-en-ciel), ka karazan-doko 9 no tazanao ary tanisainay araka ny fahalavitany:
Ny mavokely manjopiaka no akaiky anao indrindra;
Ny mena manjopiaka no manaraka azy;
Ny volom-boasary manjopiaka ny fahatelo;
Ny mavo miloko ranom-bolamena manjopiaka ny fahaefatra;
Ny maitso manjopiaka ny fahadimy;
Ny manga manjopiaka no fahaenina;
Ny manga miharo volomparasy manjopiaka ny fahafito;
Ny volomparasy manjopiaka ny fahavalo;
Ny fotsy mangatsakatsaka manjopiaka ny fahasivy ka io farany io no toa mandrakotra ilay Loharanom-pahazavana eo an’ivony.
Avy ao no misy feo miantso, feon-dehilahy efa lehibe ka sady mazava be no midoboka be, mampitonitony fatratra ny fanakon’ilay feo ao anatinao, henoy tsara ary araho ny toro-lalana omeny fa eo no maha-samy hafa ny hitan’ny rehetra sy ny hiraka omena azy.
Raha antsoiny hiditra ny Lapa ianao dia ahita tohatra miakatra toa ranom-bolamena, ny sisiny misy Anjely mitsoka trompetra, avy eo dia mihatrika varavarana tsy mihidy izay lehibe no avo.
Ny tazanao no sady manintona ny masonao dia Loharanom-pahazavana lehibe faran’izay manjopiaka sy manjelanjelatra izay azo lazaina fa mbola avo zato heny mihoatra ny masoandro angaha, marihinay fa tsy mandoro sy tsy mamay ary tsy mahajambena io Loharanom-pahazavana io, ary mihendrika fitoeran-dabozia fito mitovy tantana; Avy eo no mivoaka ilay feo nolazainay teny ambony.
Rehefa vita ny resaka sy tafa ataony aminao dia asainy mihodina ianao ka poa toa izay dia tafaverina indray ao amin’ny vatanao ary mahatsiharo sambatsambatra sy miramirana tsy misy toa izany.
FAMARANANA.
Tsy hiteny maro intsony izahay fa avelanay ho anao no misafidy sy mandanjalanja izay tohiny rehetra ary ataovy toa ny voankazo an’ala ka ny mamy atelemo ary ny mangidy alohavy.
Ny tsy tsindrinay kosa dia ny hilaza aminao hoe «Raha ny finoana no mikorontana dia miteraka fahabangana tsy hita pesipesenina ka mahaketraka; Raha ketraka ny Olona dia tsy mahavita ny lahasa izay sahaniny ary lasa kamo hieritreritra ka miandry izay hidonany any fotsiny, koa tsy gaga izahay raha toa ka “MAHANTRA” na ara-batana na ara-panahy ny MALAGASY.”
Mihoara àry ka vonjeo ny Firenenao, abosahy ny hazavanao fa manana anjara adidy lehibe ianao RaMalagasy.
Ny teninay farany no sady miharo fiangaviana aminao? Raha toa ka tsapanao fa ilaina ny hahafantaran’ny rehetra ity rakitra an-tsoratra ity dia aparitaho amin’ireo akaiky anao rehetra, raha toa kosa ka tsy azoazonao ny voalaza ao dia aparitaho ihany sao mba mety ho an’ny hafa ihany.
Dia isaoranay eram-po sy eran-tsaina ianao nanana finiavana sy nanokam-potoana nanjohy ity rakitra an-tsoratra ity, ka Ilay “fahazavam-pahafenoana tsy manam-paharitana anie hahenika anao sy ny ankohonanao.”

LUMI - 22 décembre 2011